<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>3</hymn_number>
<title>Andriamanitra anie hamindra fo aminay TS3</title>
<lyrics>[V1]
 Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay.
 Hampamirapiratra ny tavany aminay, anie Izy.

[V2]
 Mba ho fantatra ety ambonin'ny tany ny làlanao.
 Sy ny famonjenao ny amin'ny jentilisa rehetra.

[V3]
 Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô;
 Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

[V4]
 Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa, satria mitsara marina ny firenenai Hianao;
 Ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao.

[V5]
 Hidera Anao nyfirenena, Andriamanitra ô;
 Eny, hidera Anao ny firenena rehetra.

[V6]
 Ny tany efa nahavokatra;
 Mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika

[V7]
 Mitahy antsika Andriamanitra;
 Ary hatahotra Azy'ny vazan-tany rehetra.

[V8]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
</song>